Visiteurs depuis le 22 Août 2004
|
JESOSY REHAREHAKO 1- Tsy misy reharehako afa-tsy Ianao Jesosy ô ! Anao ny hery, Anao ny Haja sy voninahitra Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita indro efa resinao Izao tontolo izao dia nahita fa efa nitsangana ianao Fiv : Sambatra aho, Jeso ô ! Manana anao 'zay tompon'ny hery (Aaah….) Sambatra aho Jeso ô Miankina eo an-tratranao Ampy ahy ny fitiavanao, ampy ahy ny finoako anao Raiketiko ao am-po lalandava fa reharehako Ianao 2- Tsy misy nahitam-pamonjena afa-tsy taminao Nanaiky ianao tsy mba noterena hitondra aina vao Ny tananao mahery natsotranao mba hitantana Hahaizako mandeha sy mizotra ny lala-marinao 3- Nasehonao ilay fahefana manda sy aroko Ka niala maina teo lay satana zay fahavaloko Tsy misy maharombaka akory zay eo an-tananao Izany indrindra no ilazako fa reharehako Ianao
© Copyright Août 2004 - Design : Oberlin et Sylvia
|
![]()
![]() |