Visiteurs depuis le 22 Août 2004
|
FO MITAMBATRA
1- Fo mitambatra ho irayNo entina eto izao Mitrotro ny fitia Hohamasinin'Andriamanitra Hitombo hery sy hamelovelo koa Ka hifanaiky ireto olon-droa Fa hiombom-piainana Na inona mitranga eto an-tany Dia vonona hifampitantana Fiv: Fitiavana toy ny an'Ilay Jesoa Fitiavana manolotra ny Aina Fitiavana mandresy ny fahotana Fitiavana ho mandrakizay doria 2- To izao androany izao Ilay nofinofy izay niainanay taloha Ka indro fa miara-belona Miara-mitambatra anivon'ny fitia Ireo dina izay niarahana nikolo No hamafisina ho doria Hotehirizina ho vaovao Handrombona hitombo hasina
© Copyright Août 2004 - Design : Oberlin et Sylvia
|
![]()
![]() |