Visiteurs depuis le 22 Août 2004
|
RY FANAHY Ö ! MIDINA
1- Ry fanahy ô! MidinaManatreha anay eto anio Ianao Mba hanoloranay ny vavakay mangina Vetsovetsom-po izay atolotray Vola sy ny harena samy tsy anananay Fa indro vavaka mangina Fanoloran-tena ho Anao tokoa 2- Ry Fanahy ô, monena Aza mba mandao anay Ianao Kolokoloy izahay hitombo fahendrena Ka tsy hahafoy hiaraka Aminao Ota sy rendrarendra Samy te handavo anay Soa ihany ; soa fa eo Ianao Fanahy Vonona hitahy ny fiainanay 3- Ry Fanahy ô! Meteza Mba handray anay ho mpianatrao Avia Ianao, avia mampahereza Hahatonga anay mba ho irakao Eso sy fitsapana Samy manakivy anay Ka taomy, taomy hanam-po mafana Herim-po hiasa ho Anao
© Copyright Août 2004 - Design : Oberlin et Sylvia
|
![]()
![]() |